1 Chronicles 10:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niady tamin’ny Israely ny Filistina. Ary nandositra teo anoloan’ny Filistina ny lehilahy amin’ny Israely ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niady tamin’i Israely ny Filistinina ary nandositra teo anoloan’ny Filistinina ny lehilahy amin’i Israely, ka lavo teny an-tendrombohitra Jelbôe efa azon’ny ratra mahafaty.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niady tamin’i Israely ny Filistinina; dia nandositra azy ny Israelita ka faty maro no nitsitsitra teny an-tendrombohitra Gilbôa.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Filistina niady tamin'ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'ny Isiraely, ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niady tamin’ny Israely ny Filistina. Ary nandositra teo anoloan’ny Filistina ny lehilahy amin’ny Israely ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
malagasy
[Ny nahafatesan'i Saoly sy ny zananilahy] Ary ny Filistina niady tamin'ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'ny Isiraely, ka niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.