1 Chronicles 10:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, maty i Saoly noho ny nivadihany tamin’NY TOMPO, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin’NY TOMPO sy noho ny nakany saina tamin’izay mpila hevitra amin’ny maty
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Maty i Saola noho ny hadisoany tamin’i Iaveh, izay nahameloka azy, fa tsy nitandrina ny tenin’i Iaveh izy, sady nanontany ary nila hevitra tamin’ireo mpiantso ny maty.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, maty i Saoly noho ny fivadihany tamin’ny TOMPO: tsy nitandrina ny tenin’ny TOMPO manko izy, ary koa nanontany ny fanahin’ny maty tamin’ny mpamoha angatra
Malagasy Bible 1865
Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin'i Jehovah, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin'i Jehovah sy noho ny nakany saina tamin'izay nanao azy ho tsindrian-javatra
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, maty i Saoly noho ny nivadihany tamin’NY TOMPO, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin’NY TOMPO sy noho ny nakany saina tamin’izay mpila hevitra amin’ny maty
malagasy
Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin'i Jehovah, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin'i Jehovah sy noho ny nakany saina tamin'izay nanao azy ho tsindrian-javatraary noho ny tsy nanontaniany tamin'i Jehovah; ka dia novonoiny izy, ary nafindrany ho an'i Davida, zanak'i Jese, ny fanjakana.