1 Chronicles 10:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony hitan’ny lehilahy rehetra amin’ny Israely teny amin’ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty i Saoly sy ny zanany, dia nandao ny tanànany avy izy ireo ka nandositra; ary tonga ny Filistina ka nonina tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony hitan’ny lehilahy rehetra amin’i Israely, izay teny amin’ny tany lemaka, fa nandositra ny zanak’i Israely, ary maty koa i Saola sy ny zanany, dia nilaozan’izy ireo ny tanànany, ka nitsoaka nandositra izy; ary tonga sy niorim-ponenana teo ny Filistinina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa hitan’ny Israelita rehetra izay nonina tao an-dohasaha fa nandositra ny tafik’i Israely sady maty i Saoly sy ny zanany, dia nandao tanàna izy ka nandositra. Tonga kosa ny Filistinina ka nipetraka tao.
Malagasy Bible 1865
Ary nony hitan'ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely teny amin'ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tamin'ny tanànany izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony hitan’ny lehilahy rehetra amin’ny Israely teny amin’ny lohasaha fa nandositra ny olona, ary maty i Saoly sy ny zanany, dia nandao ny tanànany avy izy ireo ka nandositra; ary tonga ny Filistina ka nonina tao.
malagasy