1 Chronicles 11:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lohan’ny lehilahy maherin’i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin’ny fanjakany, mbamin’ny Israely rehetra, hampanjaka azy araka ny tenin’NY TOMPO ny amin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo no lehiben’ny lehilahy mahery izay tao amin’i Davida, ka nanampy azy niaraka tamin’i Israely rehetra nandritra ny andro nanjakany, sady efa nampanjaka azy izy araka ny tenin’i Iaveh ny amin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireto no filohan’ireo kalazan’i Davida, dia ireo kalaza nifikitra taminy nandritra ny nanjakany, ka efa niaraka tamin’i Israely lafy valo mba hampanjaka azy teo amin’i Israely araka ny tenin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no lohan'ny lehilahy maherin'i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin'ny fanjakany, mbamin'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lohan’ny lehilahy maherin’i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin’ny fanjakany, mbamin’ny Israely rehetra, hampanjaka azy araka ny tenin’NY TOMPO ny amin’ny Israely.
malagasy
[Ny amin'ny lehilahy maherin'i Davida izay niady hampanjaka azy] Ary izao no lohan'ny lehilahy maherin'i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin'ny fanjakany, mbamin'ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin'i Jehovah ny amin'ny Isiraely.