1 Chronicles 11:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izy dia teo amin’i Davida tao Pasa-Damima, raha vory hiady teo ny Filistina. Nisy tanimboly rakotra varimbazaha teo; ary nandositra ny Filistina ny olona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy no nomba an’i Davida tany Fesy-Domima, ary nivory teo ny Filistinina mba hiady; nisy toerana anankiray feno orja teo, ary vaky nandositra teo anoloan’ny Filistinina ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niaraka tamin’i Davida izy tao Efesa-Damîna raha tafangona hiady tao ny Filistinina, ka vaky nandositra ny tafik’i Israely. Ary nisy tanimbary feno vary ôrza tao an-tsaha;
Malagasy Bible 1865
Izy dia teo amin'i Davida tao Efesa-damima, raha vory teo ny Filistina hiady, ary ny tany nisy vary hordea maniry, ary ny olona nandositra ny Filistina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izy dia teo amin’i Davida tao Pasa-Damima, raha vory hiady teo ny Filistina. Nisy tanimboly rakotra varimbazaha teo; ary nandositra ny Filistina ny olona.
malagasy
Izy dia teo amin'i Davida tao Efesa-damima, raha vory teo ny Filistina hiady, ary ny tany nisy vary hordea maniry, ary ny olona nandositra ny Filistina.