1 Chronicles 11:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nijoro teo afovoan’io tany io kosa i Eleazara ka nahazo azy ary namono ny Filistina. Dia nanao famonjena lehibe NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lasa nankeo afovoan’ny saha izy ireo, niaro azy sy nandresy ny Filistinina, dia nanao famonjena lehibe i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
koa nanotrika tao afovoan’ny tanimbary i Elehazara sy ny olony, ka sady nanavotra ny tanimbary no namely ny Filistinina. Dia nomen’ny TOMPO fandresena miezinezina i Israely.
Malagasy Bible 1865
Fa nijanona teo afovoan'io tany io kosa Eleazara ka nahazo io ary namono ny Filistina, ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nijoro teo afovoan’io tany io kosa i Eleazara ka nahazo azy ary namono ny Filistina. Dia nanao famonjena lehibe NY TOMPO.
malagasy
Fa nijanona teo afovoan'io tany io kosa Eleazara ka nahazo io ary namono ny Filistina, ka dia nanao famonjena lehibe Jehovah.