1 Chronicles 11:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy telo lahy malaza tamin’ny telopolo lahy nidina nankeo amin’ny vatolampy ho any amin’i Davida tao amin’ny zohin’i Adolama raha nitoby tao amin’ny lohasahan’ny Refaìta ny miaramilan’ny Filistina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy telo lahy tamin’ireo kapiteny telopolo lahy nidina nankany amin’i Davida teo amin’ny vatolampy, tany an-johin’i Odolama, ary ny tobin’ny Filistinina tamin’izay dia tafaorina tao amin’ny lohasahan’i Refaima.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro, dia nisy telo lahy anisan’ny «andian’ny telopolo lahy» nidina ho eny amin’i Davida teo amin’ny harambato akaikin’ny zohin’i Hadolama, fa nisy tafiky ny Filistinina nitoby tao an-dohasahan’ny Refaîta.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy telo lahy malaza tamin'ny telo-polo nidina nankeo amin'ny vatolampy ho any amin'i Davida tamin'ny zohin'i Adolama; ary ny miaramilan'ny Filistina nitoby tao amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy telo lahy malaza tamin’ny telopolo lahy nidina nankeo amin’ny vatolampy ho any amin’i Davida tao amin’ny zohin’i Adolama raha nitoby tao amin’ny lohasahan’ny Refaìta ny miaramilan’ny Filistina.
malagasy
Ary nisy telo lahy malaza tamin'ny telo-polo nidina nankeo amin'ny vatolampy ho any amin'i Davida tamin'ny zohin'i Adolama; ary ny miaramilan'ny Filistina nitoby tao amin'ny Lohasahan'ny Refaita.