1 Chronicles 11:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary namakivaky teo amin’ny miaramilan’ny Filistina izy telo lahy ireo ka nanovo rano tao amin’ny fantsakana tao Betlehema, ilay teo akaikin’ny vavahady, dia noentiny ho any amin’i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy fa naidiny ho an’NY TOMPO izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niaraka tamin’izay ireo teo lahy ireo dia namakivaky ny tobin’ny Filistinina ka nanovo rano teo amin’ny famorian-drano eo am-bavahadin’i Betlehema, dia noraisiny sy nentiny nankeo amin’i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izany i Davida, fa nataony fanatitra araraka ho an’i Iaveh izany, ary hoy izy:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia namakivaky ny tobin’ny Filistinina izy telo lahy ireto ka nanovo rano tamin’ilay fantsakana teo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema, ary nitondra izany ho any amin’i Davida; kanjo tsy nety nisotro i Davida fa nanolotra izany ho an’ny TOMPO kosa ho fanatitra araraka,
Malagasy Bible 1865
Ary izy telo lahy ireo namaky teo amin'ny miaramilan'ny Filistina ka nanovo rano tao amin'ny fantsakana tao Betlehema, ilay tao akaikin'ny vavahady, dia nentiny ho any amin'i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy, fa naidiny ho an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary namakivaky teo amin’ny miaramilan’ny Filistina izy telo lahy ireo ka nanovo rano tao amin’ny fantsakana tao Betlehema, ilay teo akaikin’ny vavahady, dia noentiny ho any amin’i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izy fa naidiny ho an’NY TOMPO izany.
malagasy