1 Chronicles 11:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan’Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran’ireto olona nanao vy very ny ainy ireto va aho? Fa nanao vy very ny ainy izy ireo tamin’ny nakany ity. Dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ireo telo lahy mahery ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Sanatria raha hanao izany aho! Ra aman’ain’ireo olona ireo ve, ka dia hosotroiko? Fa ny ainy no nataony vy very, hitondrany an’ity!» Dia tsy nety nisotro izy. Izany no nataon’izy telo lahy mahery ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sady hoy izy hoe: –Fady ahy eo anatrehan’Andriamanitra ny hisotro izany, fa midika ho misotro ny ran’ireo lehilahy nandeha nanao vy very ny ainy naka azy! Koa tsy nety nisotro i Davida. Izany no zava-bitan’ireo telo lahy maherifo ireo.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan'Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran'ireto olona nanao vi-very ny ainy ireto va aho? fa nanao vi-very ny ainy izy ireo tamin'ny nakany ity. Ka dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon'ireo telo lahy mahery ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa hoy izy: Sanatria amiko eo anatrehan’Andriamanitra raha hanao izany; hisotro ny ran’ireto olona nanao vy very ny ainy ireto va aho? Fa nanao vy very ny ainy izy ireo tamin’ny nakany ity. Dia tsy nety nisotro izy. Izany zavatra izany no nataon’ireo telo lahy mahery ireo.
malagasy