1 Chronicles 11:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hatry ny fahiny ihany koa, fony mbola nanjaka aza i Saoly, dia ianao ihany no mpitarika ny Israely nandeha niady sy niverina avy any; ary hoy NY TOMPO Andriamanitrao taminao: Ianao no ho mpiandry ny Israely oloko, ianao no ho mpitondra azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Taloha fony mbola nanjaka aza i Saola, dia efa nitondra an’i Israely nivoaka sy niditra ianao. Ary hoy i Iaveh Andriamanitrao taminao: ‹Ianao no ho mpiandry an’i Israely vahoakako, ary ianao no ho mpanapaka an’i Israely vahoakako.› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fahiny, fony mbola nanjaka aza i Saoly, dia ianao ihany no mpitarika ny miaramilan’i Israely tamin’ny ady. Ary ny TOMPO Andriamanitrao efa nilaza taminao hoe: «Ianao no hitondra ilay Israely vahoakako, ary ianao no ho mpanapaka azy.»
Malagasy Bible 1865
Hatry ny fahiny ihany koa, fony Saoly mbola nanjaka aza, dia ianao ihany no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary hoy Jehovah Andriamanitrao taminao; Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hatry ny fahiny ihany koa, fony mbola nanjaka aza i Saoly, dia ianao ihany no mpitarika ny Israely nandeha niady sy niverina avy any; ary hoy NY TOMPO Andriamanitrao taminao: Ianao no ho mpiandry ny Israely oloko, ianao no ho mpitondra azy.
malagasy