1 Chronicles 11:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Abisay, rahalahin’i Joaba, no lehibe tamin’izy telo lahy; izy koa no namely telonjato lahy tamin’ny lefona ka nahafaty azy, dia izy no nalaza tamin’izy telo lahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Abisaï, rahalahin’i Jôaba lehiben’ny Telopolo lahy, dia nampandihy ny lefony tamin’ny lehilahy telon-jato, ka nahafaty an’ireo, ka nanan-daza tamin’izy telopolo lahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Abisay, rahalahin’i Jôaba, no filohan’ny «andian’ny telopolo lahy». Izy no ilay nampandihy lefona hamelezana fahavalo telonjato lahy ka nahafaty azy, kanefa tsy tafiditra anarana tao anatin’ny «Tariky ny telo lahy».
Malagasy Bible 1865
Ary Abisay, rahalahin'i Joaba, no lehibe tamin'izy telo lahy; fa izy koa namely telonjato lahy tamin'ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin'izy telo lahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Abisay, rahalahin’i Joaba, no lehibe tamin’izy telo lahy; izy koa no namely telonjato lahy tamin’ny lefona ka nahafaty azy, dia izy no nalaza tamin’izy telo lahy.
malagasy
Ary Abisay, rahalahin'i Joaba, no lehibe tamin'izy telo lahy; fa izy koa namely telonjato lahy tamin'ny lefona ka nahafaty azy, ka dia izy no nalaza tamin'izy telo lahy.