1 Chronicles 11:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Benaia, zanak’i Jehoiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba. Izy koa no nidina namono ny liona tao anatin’ny lavaka fantsakana tamin’ilay andro nisy orampanala iny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Banaiasa zanak’i Jôiadà zanaky ny lehilahy anankiray mahery sy naneho herim-po lehibe matetika, avy any Kabseela. Izy no namely ireo Ariela roalahy avy any Moaba. Indray andro nisy oram-panala izay, dia nidina izy ka namely ilay liona tao amin’ny lavaka famorian-drano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Benaià, avy any Kabitseela, dia zanakalahin’i Jôiadà sady zafikelin’ny miaramila anankiray maherifo. Nahavita asa goavana maro i Benaià: izy no nahafaty ireo Ariela roa lahy avy any Môaba; izy koa ilay nidina tanaty lavaka iray ka nahafaty liona tao tamin’ny indray andro nisy oram-panala.
Malagasy Bible 1865
Ary Benaia, zanak'i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy koa no nidina namono ny liona tao anatin'ny lavaka fantsakana tamin'ilay andro nisy oram-panala iny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Benaia, zanak’i Jehoiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba. Izy koa no nidina namono ny liona tao anatin’ny lavaka fantsakana tamin’ilay andro nisy orampanala iny.
malagasy
Ary Benaia, zanak'i Joiada, zanaky ny lehilahy mahay tany Kabzela, izay nahavita asa be, izy no nahafaty ny roa lahy mahery tany Moaba; ary izy koa no nidina namono ny liona tao anatin'ny lavaka fantsakana tamin'ilay andro nisy oram-panala iny.[Heb. lionan'Andriamanitra]