1 Chronicles 11:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izy koa no namono ilay Ejiptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nisy lefona tahaka ny voditenon’ny mpanenona teny an-tanan’ilay Ejiptiana; nefa nanatona azy tamin’ny tehiny ihany i Benaia dia nosarihany ny lefona teny an-tanan’ilay Ejiptiana ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy no nahafaty ny Ejiptianina anankiray, izay dimy hakiho no halavany, ary nisy lefona sahala amin’ny voditenon’ny mpanenona tao an-tanan’ny Ejiptianina. Nitondra tehina izy nankany aminy ary ny lefona teny an-tanan’ilay Ejiptianina no nosarihiny, dia novonoiny tamin’ny lefony indrindra izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mbola izy koa no nahafaty ilay Ejiptianina izay roa metatra sy sasany ny halàvany sady nirongo lefona lehibe toy ny voditenon’ny mpanenona. Tehina no namelezany azy, dia nosarihany teny an-tanan’ilay Ejiptianina ny lefony ka iny ihany no namonoany azy ho faty.
Malagasy Bible 1865
Ary izy koa no namono ilay Egyptiana makadiry, izay dimy hakiho ny halavany, nefa teny an-tànan'ilay Egyptiana nisy lefona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona; nefa namorotsahan'i Benaia tamin'ny tehiny ihany izy, dia nosarihany ny lefona teny an-tànan'ilay Egyptiana, ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izy koa no namono ilay Ejiptiana makadiry, izay dimy hakiho* ny halavany, nisy lefona tahaka ny voditenon’ny mpanenona teny an-tanan’ilay Ejiptiana; nefa nanatona azy tamin’ny tehiny ihany i Benaia dia nosarihany ny lefona teny an-tanan’ilay Ejiptiana ka iny lefony iny ihany no namonoany azy.
malagasy