1 Chronicles 11:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy i Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho mpitari-tafika. Ary i Joaba, zanak’i Zeroia, no niakatra voalohany, dia izy no tonga lohany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Davida: «Na iza na iza handresy voalohany ny Jeboseanina dia izy no ho lehibe sy filohany.» Ary i Jôaba zanak’i Sarvià no niakatra voalohany, ka izy no tonga lehibe.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Davida: «Izay hamely voalohany ny Jebosita dia hatao filohan’ny tafika». Ary i Jôaba, zanakalahin’i Tseroià, no nanafika voalohany; koa izy no nanjary filohan’ny tafika.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no niakatra voalohany, ka dia izy no lohany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy i Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho mpitari-tafika. Ary i Joaba, zanak’i Zeroia, no niakatra voalohany, dia izy no tonga lohany.
malagasy
Ary hoy Davida: Na iza na iza no hamely voalohany ny Jebosita, dia izy no ho lohany sy ho komandy. Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no niakatra voalohany, ka dia izy no lohany.