1 Chronicles 12:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nampitenenin’ny Fanahy i Amasay, lehiben’ny mpanafika malaza hoe: Anao izahay, ry Davida ô! Miandany aminao izahay, ry zanak’i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao! Ary fiadanana anie ho an’ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin’i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Amasaì, lehiben’ny telopolo lahy, dia nosaronan’ny Fanahy, ka nanao hoe: «Anao izahay, ry Davida, ary momba anao, ry zanak’i Isaia! Fiadanana, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an’izay manampy anao.» Dia noraisin’i Davida izy ireo, ary nomeny toerana tamin’ny lehiben’ny antokon’ny miaramila.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nivoaka hitsena azy i Davida ka nanao taminy hoe: –Raha fihavanana no ahatongavanareo atỳ amiko mba hanampy ahy, dia amin’ny foko tokoa no hikambanako aminareo; fa raha hamadika ahy kosa mba hanolotra ahy amin’ny fahavaloko, na tsy nanao an-keriny aza ny tanako, dia aoka ilay Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly anareo!
Malagasy Bible 1865
Ary Amasay, lehiben'ny mpanafika malaza, dia nampitenenin'ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak'i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an'ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin'i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nampitenenin’ny Fanahy i Amasay, lehiben’ny mpanafika malaza hoe: Anao izahay, ry Davida ô! Miandany aminao izahay, ry zanak’i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao! Ary fiadanana anie ho an’ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin’i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.
malagasy
Ary Amasay, lehiben'ny mpanafika malaza, dia nampitenenin'ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak'i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an'ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin'i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.[Na: ny telo-polo lahy]