1 Chronicles 12:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy sasany tamin’ny Manase nifindra ka nanatona an’i Davida fony izy nomba ny Filistina hiady amin’i Saoly, kanefa tsy nanampy ny Filistina akory izy ireo; fa nifampila hevitra ireo andrianan’ny Filistina dia nampandehaniny i Davida ka nilaza hoe: Ny lohantsika no hoentiny mila sitraka hiverenany amin’i Saoly tompony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy lehilahy sasany tamin’i Manase nikambana tamin’i Davida fony izy niaraka tamin’ny Filistinina nandeha hiady amin’i Saola. Nefa tsy nanampy ny Filistinina izy, ninian’ny andrian’ny Filistinina nalefa nody i Davida, fa hoy izy: «Ny lohantsika no mety hahita loza hiverenany amin’i Saola tompony.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay, dia nentanin’ny Fanahin’Andriamanitra i Hamasay, filohan’ny «andian’ny telopolo lahy», ka niantso hoe: –Anao izahay, ry Davida ô! Miandany aminao izahay, ry zanakalahin’i Jisay! Fiadanana, fiadanana anie ho anao ary fiadanana anie ho an’ireo mpanampy anao, satria ilay Andriamanitrao no efa manampy anao! Dia noraisin’i Davida ireo ka notendreny ho isan’ny filohan’ny andian-tafika.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy sasany tamin'ny Manase niala hanatona an'i Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin'i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan'ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin'i Saoly tompony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy sasany tamin’ny Manase nifindra ka nanatona an’i Davida fony izy nomba ny Filistina hiady amin’i Saoly, kanefa tsy nanampy ny Filistina akory izy ireo; fa nifampila hevitra ireo andrianan’ny Filistina dia nampandehaniny i Davida ka nilaza hoe: Ny lohantsika no hoentiny mila sitraka hiverenany amin’i Saoly tompony.
malagasy