1 Chronicles 12:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no isan’ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin’i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan’i Saoly ho eo am-pelatanany araka ny tenin’NY TOMPO:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no isan’ny lehiben’ny lehilahy hary fiadiana hoenti-miady, tonga nanatona an’i Davida, tany Hebrôna, mba hamindra ny fanjakan’i Saola aminy araka ny didin’i Iaveh:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Isan’andro isan’andro dia nisy olona tonga tany amin’i Davida hanampy azy hany ka nanjary lehibe dia lehibe tokoa ny tafik’i Davida.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no isan'ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin'i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan'i Saoly ho azy araka ny tenin'i Jehovah:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no isan’ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin’i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan’i Saoly ho eo am-pelatanany araka ny tenin’NY TOMPO:
malagasy
[Ny amin'ny miaramila avy tamin'ny Isiraely rehetra izay nanatona an'i Davida tao Hebrona hampanjaka azy] Ary izao no isan'ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin'i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan'i Saoly ho azy araka ny tenin'i Jehovah: