1 Chronicles 12:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin’ny fiadiana samihafa rehetra, dia dimy alina, izay nahay niray hina nilahatra tsara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avy amin’i Zabolôna, 50.000, samy azo alefa amin’ny tafika, vonon-kiady, efa hary fiadiana tsara mihitsy, mba hilahatra hiady amin’ny fo tsy miroahana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taranak’i Jisakara, dia nisy manamboninahitra roanjato lahy sy ireo mpiray foko rehetra teo ambany fifehezany; ireo manamboninahitra ireo dia samy nahay mamantatra tsara ny fotoana mety sy ny fomba tokony hikatrohan’ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin'ny fiadiana samy hafa rehetra dia dimy alina, izay nahay nilahatra tsara tamin'ny firaisan-kina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin’ny fiadiana samihafa rehetra, dia dimy alina, izay nahay niray hina nilahatra tsara.
malagasy
Tamin'ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin'ny fiadiana samy hafa rehetra dia dimy alina, izay nahay nilahatra tsara tamin'ny firaisan-kina.