1 Chronicles 12:39 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tao amin’i Davida hateloana izy ireo sady nihinana sy nisotro, fa efa nanomana nahandro ho azy ny rahalahiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hateloana izy ireo no nitoetra tao niaraka tamin’i Davida, dia nihinana sy nisotro, fa efa nanomana vatsy ho azy ny rahalahiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo miaramila rehetra vonon-kilahatra hiady ireo no tonga tao Hebrôna tamin’ny fony manontolo mba hampanjaka an’i Davida amin’i Israely lafy valo; ary ny Israelita sisa rehetra koa niray fo mba hampanjaka an’i Davida.
Malagasy Bible 1865
Ary tao amin'i Davida hateloana izy sady nihinana sy nisotro; fa efa nanao nahandro ho azy ny rahalahiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tao amin’i Davida hateloana izy ireo sady nihinana sy nisotro, fa efa nanomana nahandro ho azy ny rahalahiny.
malagasy
Ary tao amin'i Davida hateloana izy sady nihinana sy nisotro; fa efa nanao nahandro ho azy ny rahalahiny.Ary izay teo akaikiny koa hatramin'ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin'ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan'aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman'osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin'ny Isiraely.