1 Chronicles 12:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny Gadita dia nisy lehilahy mahery nisintaka tamin’ny namany ka nanatona an’i Davida ho any amin’ny fialofana any an-tendrombohitra; miaramila nahay niady izy ireo ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’ny liona, ary haingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny Gadita, nisy lehilahy mahery nanatona an’i Davida tany amin’ny toerana mimanda, tany an’efitra; mpiantafika zatra ady, mahay mampiasa ampinga aman-defona, miendriky ny liona, faingam-pandeha toy ny gazela eny an-tendrombohitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary i Jôhelà sy i Zebadià, samy zanakalahin’i Jerôhama, avy any Gedôra.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny Gadita nisy lehilahy mahery niendaka hanatona an'i Davida ho amin'ny fiarovana tany an-efitra, dia ny miaramila nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny Gadita dia nisy lehilahy mahery nisintaka tamin’ny namany ka nanatona an’i Davida ho any amin’ny fialofana any an-tendrombohitra; miaramila nahay niady izy ireo ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’ny liona, ary haingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy.
malagasy
Ary tamin'ny Gadita nisy lehilahy mahery niendaka hanatona an'i Davida ho amin'ny fiarovana tany an-efitra, dia ny miaramila nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin'ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy.[Izahao 2 Sam. i. 19]