1 Chronicles 13:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nirehitra tamin’i Oza ny fahatezeran’NY TOMPO ka namely azy Izy noho ny nanatsorany ny tanany tamin’ny vata misy ny Fanekena. Dia maty teo anatrehan’Andriamanitra i Oza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nirehitra tamin’i Ozà ny fahatezeran’i Iaveh, ka nokapohin’i Iaveh izy, noho izy naninji-tanana tamin’ny fiara, dia maty teo anatrehan’Andriamanitra i Ozà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nirehi-pahatezerana tamin’i Hozà ny TOMPO ka namono nahafaty azy noho ny naninjirany tanana tamin’ny Vatamasina; dia teo anatrehan’Andriamanitra teo izy no maty.
Malagasy Bible 1865
Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah, ka namely azy Izy noho ny naninjirany ny tànany tamin'ny fiara, dia maty teo anatrehan'Andriamanitra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nirehitra tamin’i Oza ny fahatezeran’NY TOMPO ka namely azy Izy noho ny nanatsorany ny tanany tamin’ny vata misy ny Fanekena. Dia maty teo anatrehan’Andriamanitra i Oza.
malagasy
Dia nirehitra tamin'i Oza ny fahatezeran'i Jehovah, ka namely azy Izy noho ny naninjirany ny tànany tamin'ny fiara, dia maty teo anatrehan'Andriamanitra izy.