1 Chronicles 13:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka hoy izy tamin’ny Israely rehetra izay tafangona: Raha heverinareo fa mety, sady avy amin’NY TOMPO Andriamanitsika izany, dia andeha isika handefa iraka haingana any amin’ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin’ny tanin’ny Israely rehetra ary amin’ny mpisorona sy ny levita koa, izay any amin’ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka hoy i Davida tamin’ny fiangonan’i Israely rehetra hoe: «Raha ataonareo ho mety, sy raha toa hevitra avy amin’ny Andriamanitsika, dia handeha isika haniraka faingana any amin’ny rahalahintsika sisa rehetra, any amin’ny tanin’i Israely rehetra sy any amin’ny mpisorona mbamin’ny Levita ao amin’ny tanànany misy tany fiandrasany biby, mba hikambana amintsika izy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka taorian’izany, dia hoy i Davida tamin’ny Israelita rehetra tafangona teo: –Raha sitraky ny TOMPO Andriamanitsika, sady heverinareo fa tsara, dia andeha isika haniraka faingana ho any amin’ny mpiray firenena havantsika tavela manerana ny tanin’i Israely, indrindra amin’ny mpisorona sy ny levita any amin’ny tanànany sy ny kijanany avy, mba hitaona azy hikambana amintsika.
Malagasy Bible 1865
Ka hoy Davida tamin'ny Isiraely rehetra izay tafangona: Raha ataonareo ho mety, sady avy amin'i Jehovah Andriamanitsika izany, dia andeha isika haniraka faingana any amin'ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra ary amin'ny mpisorona sy ny Levita koa, izay any amin'ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka hoy izy tamin’ny Israely rehetra izay tafangona: Raha heverinareo fa mety, sady avy amin’NY TOMPO Andriamanitsika izany, dia andeha isika handefa iraka haingana any amin’ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin’ny tanin’ny Israely rehetra ary amin’ny mpisorona sy ny levita* koa, izay any amin’ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika.
malagasy
Ka hoy Davida tamin'ny Isiraely rehetra izay tafangona: Raha ataonareo ho mety, sady avy amin'i Jehovah Andriamanitsika izany, dia andeha isika haniraka faingana any amin'ny rahalahintsika rehetra izay sisa amin'ny tanin'ny Isiraely rehetra ary amin'ny mpisorona sy ny Levita koa, izay any amin'ny tanànany sy ny tany manodidina azy, mba hivory atỳ amintsika;