1 Chronicles 13:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niakatra hankany Baala i Davida sy ny Israely rehetra, any Joda any Kiriata-Jearima izany, hampakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO Andriamanitra, izay mipetraka amin’ny kerobima, ilay iantsoana ny anarany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niakatra i Davida mbamin’i Israely rehetra, nankany Baalà, izany hoe i Kariatiarima izay any Jodà, mba hampiakatra avy any ny fiaran’Andriamanitra, ny fiaran’i Iaveh izay mipetraka eo ambonin’ny kerobima, izay fiantsoana ilay Anarana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary niakatra niaraka tamin’ny Israelita rehetra i Davida ho any Bahalà, na hoe Kiriata-Jeharima, izay any Joda, mba hampakatra ilay Vatamasina fa eo amin’io Vatamasina io no iantsoana ny anaran’ny TOMPO Izay mipetraka eo ambonin’ny kerôbima.
Malagasy Bible 1865
Dia niakatra Davida sy ny Isiraely rehetra hankany Bala any Joda (Kiriata-jearima izany) hampakatra ny fiaran'i Jehovah Andriamanitra, Izay mipetraka amin'ny kerobima, dia ilay niantsoany ny anarany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niakatra hankany Baala i Davida sy ny Israely rehetra, any Joda any Kiriata-Jearima izany, hampakatra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO Andriamanitra, izay mipetraka amin’ny kerobima*, ilay iantsoana ny anarany.
malagasy
Dia niakatra Davida sy ny Isiraely rehetra hankany Bala any Joda (Kiriata-jearima izany) hampakatra ny fiaran'i Jehovah Andriamanitra, Izay mipetraka amin'ny kerobima, dia ilay niantsoany ny anarany.