1 Chronicles 14:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanontany an’Andriamanitra i Davida hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy NY TOMPO taminy: Miakara fa hatolotro eo an-tananao izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanontany an’Andriamanitra i Davida nanao hoe: «Hiakatra hamely ny Filistinina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy?» Ka hoy i Iaveh taminy: «Miakara, ary hatolotro eo an-tananao izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Davida kosa nanontany an’Andriamanitra hoe: –Handeha hamely ny Filistinina ve aho? Ary hatolotrao ho eo an-tanako ve ireo? Ka hoy ny TOMPO taminy: –Mandehana fa hatolotro ho eo an-tananao ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanontany an’Andriamanitra i Davida hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy NY TOMPO taminy: Miakara fa hatolotro eo an-tananao izy.
malagasy
Ary Davida nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao izy.