1 Chronicles 14:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niely teny amin’ny tany rehetra ny lazan’i Davida; ary nataon’NY TOMPO nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an’i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niely eran’ny tany rehetra ny lazan’i Davida, ary nataon’i Iaveh natahotra azy ny firenena rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niely eran’ny tany rehetra ny lazan’i Davida, ary nataon’ny TOMPO matahotra an’i Davida ny firenena rehetra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny lazan'i Davida niely teny amin'ny tany rehetra; ary nataon'i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an'i Davida.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niely teny amin’ny tany rehetra ny lazan’i Davida; ary nataon’NY TOMPO nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an’i Davida.
malagasy
Ary ny lazan'i Davida niely teny amin'ny tany rehetra; ary nataon'i Jehovah nahazo ny firenena rehetra ny tahotra an'i Davida.