1 Chronicles 14:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony ren’ny Filistina fa voahosotra ho mpanjakan’ny Israely rehetra i Davida dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren’i Davida izany dia nivoaka hiady taminy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ren’ny Filistinina fa hoe voahosotra ho mpanjaka amin’i Israely rehetra i Davida; dia niakatra hitady an’i Davida ny Filistinina rehetra. Nahare izany i Davida ka dia nivoaka hanoloana an’ireo izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony ren’ny Filistinina fa efa voahosotra ho mpanjaka amin’i Israely manontolo i Davida, dia niakatra ny Filistinina rehetra mba hambabo an’i Davida. Nahare izany i Davida, ka nivoaka hifanehatra amin’ireo.
Malagasy Bible 1865
Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan'ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren'i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony ren’ny Filistina fa voahosotra ho mpanjakan’ny Israely rehetra i Davida dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren’i Davida izany dia nivoaka hiady taminy izy.
malagasy
[Ny nandresen'i Davida ny Filistina] Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosorana ho mpanjakan'ny Isiraely rehetra Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra. Koa raha ren'i Davida izany, dia nivoaka hiady taminy izy.