1 Chronicles 15:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka niteny tamin’ireo hoe: Ianareo lohan’ny fianakavian’ny levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampiakaranareo ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ho ao amin’ilay toerana namboariko ho azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy izy tamin’ireo: «Ianareo, loha fianakavian’ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, ka ampiakaro ny fiaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ho eo amin’ny fitoerana nomaniko ho azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nilazany hoe: –Ianareo loham-pianakaviana levita, manaova ny fomba fidiovana ianareo sy ny namanareo, dia ampakaro ilay Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ho eo amin’ny toerana izay efa namboariko ho azy.
Malagasy Bible 1865
ka nanao taminy hoe: Hianareo lohan'ny fianakavian'ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampakaranareo ny fiaran'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho ao amin'ilay namboariko ho azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka niteny tamin’ireo hoe: Ianareo lohan’ny fianakavian’ny levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampiakaranareo ny vata misy ny faneken’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ho ao amin’ilay toerana namboariko ho azy.
malagasy