1 Chronicles 15:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izay dia hoy i Davida: Tsy misy tokony hitondra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra afa-tsy ny levita ihany, satria izy no efa nofidin’NY TOMPO hitondra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakariva.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy i Davida tamin’izay: «Tsy misy afa-tsy ny Levita ihany no hitondra ny Fiaran’Andriamanitra satria ireo no voafidin’i Iaveh hitondra ny fiaran’Andriamanitra sy hanao ny fanompoana momba azy mandrakizay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay i Davida dia nilaza hoe; –Aza misy mitondra ilay Vatamasina afa-tsy ny levita ihany, satria ireo no efa nofidin’ny TOMPO hitondra ny Vatamasiny sy hanao ny fanompoana momba izany hatrany hatrany.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izay dia hoy Davida: Tsy misy tokony hitondra ny fiaran'Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany, satria izy no efa nofidin'i Jehovah hitondra ny fiaran'Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izay dia hoy i Davida: Tsy misy tokony hitondra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra afa-tsy ny levita* ihany, satria izy no efa nofidin’NY TOMPO hitondra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakariva.
malagasy
Ary tamin'izay dia hoy Davida: Tsy misy tokony hitondra ny fiaran'Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany, satria izy no efa nofidin'i Jehovah hitondra ny fiaran'Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakizay.