1 Chronicles 15:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Sebania, i Josafata, i Netanela, i Amasay, i Zakaria, i Benaia ary i Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra; i Obeda-Edoma sy i Jehia kosa no mpiandry varavarana amin’ny vata misy ny Fanekena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Sebeniasa, i Jôsafata, i Natanaely, i Amasa, i Zakaria, i Banaiasa, ary i Eleazara mpisorona, no nitsoka anjomara teo alohan’ny Fiaran’Andriamanitra, i Obededôma sy i Jehiasa no mpiandry varavarana teo akaikin’ny Fiara.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
toraka izany koa i Hôbeda-Edôma sy i Jehià mpiandry vavahady. Ary ireto mpisorona ireto kosa, dia i Sebanià sy i Jôsafata, i Natanaela sy i Hamasay mbamin’i Zakarià sy i Benaià ary i Elihezera, no nitsoka trompetra teo alohan’ny Vatamasin’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan'ny fiaran'Andriamanitra, ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin'ny fiara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Sebania, i Josafata, i Netanela, i Amasay, i Zakaria, i Benaia ary i Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan’ny vata misy ny faneken’Andriamanitra; i Obeda-Edoma sy i Jehia kosa no mpiandry varavarana amin’ny vata misy ny Fanekena.
malagasy