1 Chronicles 15:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nomban’Andriamanitra ny levita izay nilanja ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia namono vantotra ombilahy fito sy ondrilahy fito ho fanatitra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa nomban’Andriamanitra fanampiana ny Levita izay nitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, dia namono ombalahy enina sy ondralahy enina natao sorona ny olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary mba hanampian’Andriamanitra ny levita izay nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, dia notolorana sorona ombilahy fito sy ondrilahy fito Izy.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nomban'Andriamanitra ny Levita izay nilanja ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia namono vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito hatao fanatitra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nomban’Andriamanitra ny levita* izay nilanja ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia namono vantotra ombilahy fito sy ondrilahy fito ho fanatitra izy.
malagasy
Ary rehefa nomban'Andriamanitra ny Levita izay nilanja ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia namono vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito hatao fanatitra izy.