1 Chronicles 15:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanao akanjo vita amin’ny rongony fotsy madinika i Davida; niakanjo toy izany koa ny levita rehetra izay nitondra ny vata misy ny Fanekena ary ny mpihira sy i Kenania, tonian’ny fitondrana entana, mbamin’ny mpihira; nisalotra efoda rongony fotsy koa i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nitafy kapaoty bisosa i Davida; torak’izany koa ny Levita rehetra nitondra ny Fiara, ny mpihira ary i Koneniasa izay nitarika ny fitondrana ny Fiara, eo amin’ny mpihira; ary i Davida nitafy ny efôda rongony madinika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Akanjo rongony fotsy madinika no nanaovan’i Davida; niakanjo toy izany koa ny levita rehetra izay nitondra ny Vatamasina, sy ny mpiventy hira mbamin’i Kenanià lehiben’ny fitondrana ny Vatamasina. Ary ankoatra izany i Davida dia nisalotra ny lambahoany rongony fanaon’ny mpisorona.
Malagasy Bible 1865
Ary niakanjo akanjo rongony fotsy madinika Davida, ary niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra izay nitondra ny fiara ary ny mpihira sy Kenania, tonian'ny fitondrana, mbamin'ny mpihira; ary Davida nisalotra efoda rongony fotsy koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanao akanjo vita amin’ny rongony fotsy madinika i Davida; niakanjo toy izany koa ny levita rehetra izay nitondra ny vata misy ny Fanekena* ary ny mpihira sy i Kenania, tonian’ny fitondrana entana, mbamin’ny mpihira; nisalotra efoda* rongony fotsy koa i Davida.
malagasy
Ary niakanjo akanjo rongony fotsy madinika Davida, ary niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra izay nitondra ny fiara ary ny mpihira sy Kenania, tonian'ny fitondrana, mbamin'ny mpihira; ary Davida nisalotra efoda rongony fotsy koa.