1 Chronicles 15:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy izany no nampiakaran’ny Israely rehetra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO tamin’ny fihobiana, ny feon’ny anjomara, ny trompetra, ny kipantsona ary tamin’ny fitendrena ny valiha sy ny lokanga.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Israely rehetra no indray nampakatra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh tamin’ny hobin-kafaliana, tamin’ny feon’anjomara amana bingona mbamin’ny kipantsona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Israely lafy valo no nampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO ho any Jerosalema; ka tamin’ny horakora-pifaliana, ombàn’ny feon’anjombona aman-trompetra sy kipantsona miaraka amin’ny tendry valiha sy lokanga, no nampakarany azy.
Malagasy Bible 1865
Toy izany no nampakaran'ny Isiraely rehetra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah tamin'ny fihobiana sy ny feon'ny anjomara sy ny trompetra ary ny kipantsona sy tamin'ny fitendrena ny valiha sy ny lokanga.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy izany no nampiakaran’ny Israely rehetra ny vata misy ny faneken’NY TOMPO tamin’ny fihobiana, ny feon’ny anjomara, ny trompetra, ny kipantsona ary tamin’ny fitendrena ny valiha sy ny lokanga.
malagasy
Toy izany no nampakaran'ny Isiraely rehetra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah tamin'ny fihobiana sy ny feon'ny anjomara sy ny trompetra ary ny kipantsona sy tamin'ny fitendrena ny valiha sy ny lokanga.Ary nony tonga tao an-Tanànan'i Davida ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.