1 Chronicles 15:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tonga tao an-Tanànan’i Davida ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikala, zanakavavin’i Saoly, ka nahita an’i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; dia naneso azy mafy tao am-pony izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga hatrany an-tanànan’i Davida, ny fiaran’ny faneken’i Iaveh dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikola zanakavavin’i Saola, ka nony nahita an’i Davida nitsinjaka sy nandihy izy, dia nikizaka azy tao am-pony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa rehefa tonga tao an- tanànan’i Davida ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikala, zanakavavin’i Saoly; ka nony nahita an’i Davida mpanjaka nitotorebika nandihy izy, dia naneso azy anakampony.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tonga tao an-Tanànan'i Davida ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin'i Saoly, ka nahita an'i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tonga tao an-Tanànan’i Davida ny vata misy ny faneken’NY TOMPO dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikala, zanakavavin’i Saoly, ka nahita an’i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; dia naneso azy mafy tao am-pony izy.
malagasy