1 Chronicles 16:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nampiditra ny vata misy ny faneken’Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan’ny tranolay izay naorin’i Davida ho azy; avy eo dia nanolotra fanatitra dorana manontolo sy fanati-pihavanana teo anatrehan’Andriamanitra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony efa voampiditra ny fiaran’Andriamanitra sy efa napetraka tao afovoan’ny lay naorin’i Davida ho azy, dia nanatitra sorona dorana sy sorom-pihavanana teo anatrehan’Andriamanitra ny olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nentina ny Vatamasina ka napetraka tao afovoan’ny tranolay izay efa namboarin’i Davida ho azy. Avy eo dia nisy sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana natolotra teo anatrehan’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary nampiditra ny Fiaran'Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan'ny lay izay naorin'i Davida ho azy; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'Andriamanitra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary nampiditra ny Fiaran'Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan'ny lay izay naorin'i Davida ho azy; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'Andriamanitra izy.