1 Chronicles 16:35 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary mitenena hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, angony izahay ka afaho amin’ny Jentilisa, mba hisaoranay ny anaranao masina ka ho reharehanay ny fiderana Anao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lazao hoe: ‹Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay! angony izahay ary tsoahy avy eo amin’ny firenena, mba hankalazanay ny Anaranao masina sy hanaovanay ho reharehanay ny fiderana Anao.›
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lazao hoe: «Vonjeo izahay, ry Andriamanitra mpamonjy anay ô! Afaho avy any amin’ny hafa firenena izahay ka angony mba hideranay ny anaranao masina, sy hireharehanay amin’ny fankalazana Anao!»
Malagasy Bible 1865
Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka vonjeo tsy ho azon'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina, ka ho reharehanay ny fiderana Anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary mitenena hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, angony izahay ka afaho amin’ny Jentilisa, mba hisaoranay ny anaranao masina ka ho reharehanay ny fiderana Anao!
malagasy
Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka vonjeo tsy ho azon'ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masina, ka ho reharehanay ny fiderana Anao.