1 Chronicles 16:40 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izy ireo dia hanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO marain-tsy hariva eo amin’ny alitara fandoroana ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ary hanatanteraka izay rehetra voasoratra ao amin’ny lalànan’NY TOMPO, izay nomeny ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mba hanolotra sorona dorana tsy tapaka, maraina sy hariva, amin’i Iaveh, eo anoloan’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin’ny lalàn’i Iaveh izay nandidiany an’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izy ireo no hanatitra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO tsy an-kiato marain-tsy hariva ary eo amin’ny alitara fisoronana sy hanao izay fandraharahana rehetra voasoratra ao amin’ny lalàna nandidian’ny TOMPO an’i Israely,
Malagasy Bible 1865
hanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah marain-tsy hariva eo amin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin'ny lalàn'i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izy ireo dia hanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO marain-tsy hariva eo amin’ny alitara fandoroana ny fanatitra mandrakariva, dorana manontolo, ary hanatanteraka izay rehetra voasoratra ao amin’ny lalànan’NY TOMPO, izay nomeny ny Israely.
malagasy