1 Chronicles 17:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tafapetraka tao an-tranony i Davida dia niteny tamin’i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho, mitoetra amin’ny trano sedera, nefa ny vata misy ny faneken’NY TOMPO kosa dia mitoetra ao anaty tranolay!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa niorina tao an-tranony i Davida dia hoy i Davida tamin’i Natàna mpaminany: «Izaho ity mitoetra an-trano sedera; nefa ny fiaran’ny faneken’i Iaveh ao anaty lay!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’izany i Davida dia nipetraka tao amin’ny lapany; ka hoy izy tamin’i Natàna mpaminany: –Indro aho ity mipetraka amin’ny lapa vita hazo sedera kanefa ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO kosa ao anaty tranolay!
Malagasy Bible 1865
Ary Davida, raha nipetraka tao an-tranony, dia nanao tamin'i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho mitoetra amin'ny trano sedera, nefa ny fiaran'ny neken'i Jehovah kosa mitoetra ao anaty lay!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tafapetraka tao an-tranony i Davida dia niteny tamin’i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho, mitoetra amin’ny trano sedera, nefa ny vata misy ny faneken’NY TOMPO kosa dia mitoetra ao anaty tranolay!
malagasy
[Ny nanirian'i Davida hanao tempoly, sy ny toky nomen'Andriamanitra azy ny amin'ny haharetan'ny fanjakany] Ary Davida, raha nipetraka tao an-tranony, dia nanao tamin'i Natana mpaminany hoe: Akory izato izaho mitoetra amin'ny trano sedera, nefa ny fiaran'ny neken'i Jehovah kosa mitoetra ao anaty lay!