1 Chronicles 17:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
sy tahaka ny hatramin’ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Israely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa NY TOMPO hanao trano ho anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara tamin’i Israely vahoakako. Naetriko avokoa ny fahavalonao rehetra, ary milaza aminao mialoha Aho, fa hananganan’i Iaveh trano ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia tamin’ny andro izay nanendreko ny mpitsara hifehy ny Israely vahoakako; ary haetriko ny fahavalonao. Ambarako aminao koa fa Izaho TOMPO no hanome taranaka ho anao.
Malagasy Bible 1865
sy tahaka ny hatramin'ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
sy tahaka ny hatramin’ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Israely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa NY TOMPO hanao trano ho anao.
malagasy
sy tahaka ny hatramin'ny andro nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko. Ary haetriko avokoa ny fahavalonao rehetra. Ary ambarako aminao koa fa Jehovah hanome taranaka anao.[Heb. hanao trano ho anao]