1 Chronicles 17:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Israely olonao? Andriamanitra mihitsy no nandeha nanavotra azy ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin’ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan’ny olonao izay navotanao avy tany Ejipta.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aiza eto ambonin’ny tany izay firenena hafa, manahaka an’i Israely vahoakanao, izay nahatongavan’Andriamanitra hanavotany azy, mba ho vahoakany, hahazoanao Anarana amin’ny fahagagana aman’asa lehibe, dia ny nandroahanao firenena teo anoloan’ny vahoakanao, izay navotanao tamin’i Ejipta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary iza moa no firenena hafa eto ambonin’ny tany tahaka ny Israely vahoakanao, ka nandehananao Andriamanitra mba havotanao ho vahoakanao? Eny, nampalaza Anao ireo zava-mahagaga sy mahatahotra vitanao mba handroahanao ny firenena hafa tsy ho eo anatrehan’ny vahoakanao izay navotanao avy tany Ejipta.
Malagasy Bible 1865
Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan'Andriamanitra havotana ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin'ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan'ny olonao, izay navotanao avy tany Egypta?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Israely olonao? Andriamanitra mihitsy no nandeha nanavotra azy ho olony, hanaovanao anarana lehibe sy mahatahotra ho Anao, dia tamin’ny nandroahanao firenena tsy ho eo anoloan’ny olonao izay navotanao avy tany Ejipta.
malagasy