1 Chronicles 17:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ny nitondrako ny Israely niakatra ka mandraka androany fa nifindrafindra tranolay sy nifindrafindra fonenana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho, hatramin’ny andro nampiakarako an’i Israely avy any Ejipta, ka mandraka androany, fa lay sy fonenana no nifindrafindrako.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa tsy mbola nitoetra an-tempoly aho hatramin’ny andro nampiakarako ny Israelita avy any Ejipta ka mandraka androany; fa Izaho dia nifindrafindra lay ary nifindrafindra fonenana.
Malagasy Bible 1865
fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ny nitondrako ny Israely niakatra ka mandraka androany fa nifindrafindra tranolay sy nifindrafindra fonenana.
malagasy
fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Isiraely niakatra ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana. [Heb. lay][Heb. tabernakely]