1 Chronicles 17:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tamin’izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin’ny Israely, moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran’ny Israely izay notendreko ho mpiandry ny oloko ka nilazako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandritra ny fotoana rehetra niarahako nandeha tamin’i Israely rehetra, moa mba nilaza teny indraimbava Aho tamin’ny anankiray amin’ireo mpitsara an’i Israely izay nasaiko hamahana ny vahoakako, nanao hoe: Nahoana ianao no tsy manao trano sedera ho Ahy?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandritra ny fotoana rehetra nifindrafindrako manerana an’i Israely, dia nanendry ireo mpitsaran’i Israely Aho mba ho mpiandry ny vahoakako; kanefa tsy nisy nomeko tsiny na dia anankiray tamin’ireo mpitsara ireo aza ka nilazako hoe: Nahoana Aho no tsy nanaovanareo trano vita hazo sedera?›
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Isiraely moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran'ny Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tamin’izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin’ny Israely, moa nisy nitenenako akory va ny mpitsaran’ny Israely izay notendreko ho mpiandry ny oloko ka nilazako hoe: Nahoana no tsy nanao trano sedera ho Ahy ianareo?
malagasy