1 Chronicles 17:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa lazao amin’i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Izaho no naka anao tany an-tsaha, avy tamin’izay niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Israely oloko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Tany an-tanim-bilona teo aorian’ny ondry, no nangalako anao mba ho andriana amin’i Israely vahoakako;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Noho izany, lazao koa amin’i Davida mpanompoko fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no mampita hafatra hoe: Izaho no naka anao tao am-piandrasana ondry tany an-kijàna mba hataoko mpanapaka eo amin’ny Israely vahoakako.
Malagasy Bible 1865
Koa lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka anao tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa lazao amin’i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Izaho no naka anao tany an-tsaha, avy tamin’izay niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Israely oloko.
malagasy
Koa lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka anao tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.