1 Chronicles 18:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia naniraka an’i Hadorama zanany hankany amin’i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’i Hadadezera sy ny nandreseny azy, sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy; fa i Hadadezera dia fahavalon’i Toy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia naniraka an’i Adôrama zanany, hankany amin’i Davida mpanjaka izy, hiarahaba sy hankalaza azy, noho ny niadiany tamin’i Adarezera sy nandreseny azy, satria niady tsy tapaka i Tôhò sy i Adarezera, sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina isan-karazany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nirahin’i Tôhỳ ho any amin’i Davida mpanjaka i Hadôrama zanany lahy mba hiarahaba sy hidera azy noho ny niadiany tamin’i Hadadehezera ka nandreseny azy, satria mpiady tamin’i Tôhỳ io Hadadehezera io; koa fanaka volamena sy volafotsy ary halimo isan-karazany no nampitondrain’i Tôhỳ ho an’i Davida.
Malagasy Bible 1865
dia naniraka an'i Hadorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin'i Hadarezera sy ny nahareseny azy (fa Hadarezera dia fahavalon'i Toy), sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia naniraka an’i Hadorama zanany hankany amin’i Davida mpanjaka izy hiarahaba sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin’i Hadadezera sy ny nandreseny azy, sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina izay samy maro karazana izy; fa i Hadadezera dia fahavalon’i Toy.
malagasy