1 Chronicles 18:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nohamasinin’i Davida mpanjaka ho an’NY TOMPO koa izany mbamin’ny volafotsy sy ny volamena noentiny avy tamin’ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba, tany amin’ny taranak’i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Natokan’i Davida mpanjaka ho an’i Iaveh izany, mbamin’ny volafotsy amam-bolamena, nalainy tamin’ny firenena rehetra, dia i Edôma, i Moaba, ny taranak’i Amôna, ny Filistinina ary i Amaleka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo fanaka ireo koa dia natokan’i Davida mpanjaka ho an’ny TOMPO, niaraka tamin’ny volafotsy sy volamena izay nentiny avy any amin’ny firenena hafa rehetra: dia ny Edômita sy Môabita ary Hamônita mbamin’ny Filistinina sy Hamalekîta.
Malagasy Bible 1865
Dia nohamasinin'i Davida mpanjaka ho an'i Jehovah koa izany mbamin'ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tamin'ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nohamasinin’i Davida mpanjaka ho an’NY TOMPO koa izany mbamin’ny volafotsy sy ny volamena noentiny avy tamin’ny firenena rehetra, dia tany Edoma sy Moaba, tany amin’ny taranak’i Amona sy ny Filistina ary ny Amalekita.
malagasy