1 Chronicles 18:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Davida dia nahazo babo kalesy arivo fitondra miady taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila mandeha an-tongotra roa alina; notraingotraingoin’i Davida avokoa ny soavalin-kalesy fitondra miady rehetra, fa ny tokony ho amin’ny kalesy zato fitondra miady ihany no navelany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kalesy 1.000, mpitaingin-tsoavaly 7.000, miaramila an-tongotra 20.000, no nosamborin’i Davida taminy, notraingoin’i Davida avokoa ny soavalin-kalesy, fa ny soavaly amin’ny kalesy zato ihany no navelany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kalesy arivo sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra 20 000 no voababon’i Davida taminy; saingy nasain’i Davida nokapain-tongotra avokoa ny soavalin-kalesy fa ny tokony ho amin’ny kalesy zato ihany no sisa notazoniny.
Malagasy Bible 1865
Ary Davida nahazo babo kalesy arivo taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Davida dia nahazo babo kalesy arivo fitondra miady taminy sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila mandeha an-tongotra roa alina; notraingotraingoin’i Davida avokoa ny soavalin-kalesy fitondra miady rehetra, fa ny tokony ho amin’ny kalesy zato fitondra miady ihany no navelany.
malagasy