1 Chronicles 18:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tao Tibata sy Kona, tanànan’i Hadadezera, no nahazoan’i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan’i Solomona ilay koveta varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Varahina be dia be koa no nalain’i Davida tao Tebata sy i Kona tanànan’i Adarezera, ary izany no nanaovan’i Salômôna ilay ranomasina varahina sy ny andry amam-panaka varahina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahazoan’i Davida halimo be dia be koa tao Tibihata sy Kona, izay samy tanànan’i Hadadehezera; ka izany halimo izany no nanaovan’i Salômôna ilay fitobian-drano boribory goavana mbamin’ireo andry sy ireo fanaka halimo (tao an- tempoly).
Malagasy Bible 1865
Ary tao Tibata sy Kona, tanànan'i Hadarezera, no nahazoan'i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan'i Solomona ilay tavin-drano varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tao Tibata sy Kona, tanànan’i Hadadezera, no nahazoan’i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan’i Solomona ilay koveta varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.
malagasy
Ary tao Tibata sy Kona, tanànan'i Hadarezera, no nahazoan'i Davida babo varahina be dia be, ary izany no nanaovan'i Solomona ilay tavin-drano varahina lehibe sy ny andry ary ny fanaka varahina.[Heb. ranomasina]