1 Chronicles 19:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandroso hiady tamin’ny Arameana i Joaba sy ny olona nanaraka azy; koa vaky nandositra niala teo anoloany ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nandroso niady tamin’ny Sirianina i Jôaba sy ny vahoaka niaraka taminy ka nandositra teo anoloany ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandroso hiady amin’ny Sirianina i Jôaba sy ny tafiny, ka vaky nandositra teo anoloan’ny Israelita ireo.
Malagasy Bible 1865
Ary nandroso hiady tamin'ny Syriana Joaba sy ny olona nanaraka azy; ka dia nandositra niala teo anoloany ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandroso hiady tamin’ny Arameana i Joaba sy ny olona nanaraka azy; koa vaky nandositra niala teo anoloany ireo.
malagasy
Ary nandroso hiady tamin'ny Syriana Joaba sy ny olona nanaraka azy; ka dia nandositra niala teo anoloany ireo.