1 Chronicles 19:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony hitan’ny Arameana fa resy teo anoloan’ny Israely izy dia nandefa iraka izy haka ny Arameana izay tany andafin’ny ony Eofrata, ary i Sobaka, lehiben’ny miaramilan’i Hadadezera, no nitarika azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa hitan’ny Sirianina fa resy teo anatrehan’i Israely izy, dia naniraka olona haka ny Sirianina tany an-dafin’ny ony izy; ary i Sôfàka komandin’ny tafik’i Adarezera no nitarika azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan’ny Israelita ireto Sirianina ireto, dia naniraka olona hanetsika ny Sirianina izay tany am-pitan’ny ony Eofrata; ary i Sôfàka, filohan’ny tafik’i Hadadehezera, no nitarika azy.
Malagasy Bible 1865
Ary nony hitan'ny Syriana fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia naniraka olona izy haka ny Syriana izay tany an-dafin'ny Ony; ary Sobaka, komandin'ny miaramilan'i Hadarezera, no nitarika azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony hitan’ny Arameana fa resy teo anoloan’ny Israely izy dia nandefa iraka izy haka ny Arameana izay tany andafin’ny ony Eofrata, ary i Sobaka, lehiben’ny miaramilan’i Hadadezera, no nitarika azy.
malagasy
Ary nony hitan'ny Syriana fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia naniraka olona izy haka ny Syriana izay tany an-dafin'ny Ony; ary Sobaka, komandin'ny miaramilan'i Hadarezera, no nitarika azy.[Eofrata]