1 Chronicles 19:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy lasa nanambara tamin’i Davida izay natao tamin’ireo lehilahy ireo; dia nandefa iraka izy hitsena azy ireo fa afa-baraka loatra izy ireo; dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ny somotrareo, aorianan’izay vao mody ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nisy nandeha nilaza ny nanjò an’ireo lehilahy ireo tamin’i Davida, ka naniraka olona hitsena an’ireo izy, fa nangaihay loatra ireo lehilahy ireo, ary izao no nasain’ny mpanjaka nolazaina tamin’izy ireo: «Mitoera any Jerikô ianareo, mandra-panirin’ny somotrareo, vao modia.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandeha ireo; ary nisy nampandre an’i Davida izay nanjo ireo lehilahy ireo, koa naniraka olona izy mba hitsena azy satria afa-baràka loatra ry zareo. Ary hoy ny hafatry ny mpanjaka hoe: «Mitoera any Jerikao aloha mandra-panirin’ny volom-bavanareo; izay ianareo vao mody.»
Malagasy Bible 1865
Ary dia nisy lasa nanambara tamin'i Davida izay natao tamin'ireo lehilahy ireo; ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra izy, ka dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin'ny somotrareo, vao mody ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy lasa nanambara tamin’i Davida izay natao tamin’ireo lehilahy ireo; dia nandefa iraka izy hitsena azy ireo fa afa-baraka loatra izy ireo; dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ny somotrareo, aorianan’izay vao mody ianareo.
malagasy
Ary dia nisy lasa nanambara tamin'i Davida izay natao tamin'ireo lehilahy ireo; ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra izy, ka dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin'ny somotrareo, vao mody ianareo.[Na: menatra]