1 Chronicles 19:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanakarama kalesy fitondra miady roa arivo sy telo alina mbamin’ny mpanjakan’i Maka sy ny olony izy; ary tonga ireo ka nitoby tandrifin’i Medeba. Dia nivory ny taranak’i Amona izay niala tany amin’ny tanànany avy ka tamy hiady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kalesy 32.000, mbamin’ny mpanjakan’i Maakà sy ny vahoakany no nokaramainy, ka tonga nitoby tao akaikin’ny Medabà izy ireo. Ny taranak’i Amôna niala tany an-tanànany avy, dia nivory sy nandroso hiady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kalesy andiany 32 niampy ny mpanjakan’i Mahekà sy ny olony no voakaramany. Dia tonga ireo ka nitoby tandrifin’i Medebà; ny Hamônita kosa nivoaka ny tanànany avy, dia nivory hiroso hiady.
Malagasy Bible 1865
Dia nanakarama kalesy roa arivo amby telo alina mbamin'ny mpanjakan'i Maka sy ny olony izy; ary tonga ireo ka nitoby tandrifin'i Medeba. Ary nivory ny taranak'Amona niala tany amin'ny tanànany avy ka tamy hiady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanakarama kalesy fitondra miady roa arivo sy telo alina mbamin’ny mpanjakan’i Maka sy ny olony izy; ary tonga ireo ka nitoby tandrifin’i Medeba. Dia nivory ny taranak’i Amona izay niala tany amin’ny tanànany avy ka tamy hiady.
malagasy